Lasibatry ny asan-jiolahy, nandritra ny alina iray, ny trano vitsivitsy tamina tanàna telo teny amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo, tamin’ny herinandro lasa teo. Tsy nahazoan’ireo olon-dratsy na inona na inona ny trano sasany. Voaroba kosa ny vola sy ny entana tao amina trano roa. Lehilahy enina nitondra zava-maranitra no nanatanteraka ny asa ratsy. Tsy nisy tratra izy ireo na dia efa nifanenjehan’ny mpitandro ny filaminana aza. Mitohy ny fikarohana azy ireo.
Trano iray any amin’ny tanàna manakaiky an’Ivato no lasibatra voalohany, tamin’ny alin’ny alarobia nifoha alakamisy 31 oktobra lasa teo. Tsikaritry ny tompon-trano ny fahatongavan’ireo mpanafika ka nantsoiny haingana ny zandary. Tonga ara-potoana iretsy farany. Nirifatra nitsoaka kosa izy enin-dahy.
Niditra tao amin’ny tanànan’Anjomakely, avy eo, ireo jiolahy. Tsy nahavita na inona na inona tao ihany koa izy ireo. Tonga tany amin’ny kaominin’Ambatolampy Tsimahafotsy ireo jiolahy enina. Nampihorohoroin’iretsy farany ny olona tao amina trano roa sady nangalarana vola sy finday ary karazan’entana marobe.
Hanome hevitra