Hanatontosa fifaninanana mamorona kajimirindra hahafahana manentana ny tanora handray anjara amin’ny fifidianana sady hahafahana manamora ny fametrahana fitarainana mikasika ny fifanolanana ara-pifidianana ny Hetsika ho an’ny etika sy ny deontolojia eto Madagasikara (Medem). Hanomboka amin’ny 9 ka hatramin’ny 10 novambra ho avy izao eny amin’ny sekoly Albert Einstein Schule Ivato ity fifaninanana ity. Tanjona ny hahafahana mampiakatra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ireo fifidianana rehetra ho avy.
Hanome hevitra