Tapatapany Tranga samihafa

Fahatrarana mpanendaka

Nisy nahatsikaritra ny asa ratsy nataon’ny lehilahy telo nanendaka olona teny Andravoahangy, afak’omaly alina. Nampandrenesina avy hatrany ny polisy. Nolazaina azy ireo ny mombamomba an’ireo mpanendaka sy ny akanjo nanaovan’izy ireo. Tra-tehaky ny polisy ny iray tamin’izy telo lahy voatondro ho mpanendaka.