Tranga samihafa

Vela-pandriky ny zandary Votsotra ilay zaza dimy taona nalaina an-keriny

Navotsotr’ireo jiolahy tany AmbodivolombohitraSabotsy ao anatin’ny kaominina Tsaramasoandro any Ankazobe, afak’omaly, ilay zaza dimy taona nalain’ny jiolahy am-polony an-keriny tany Ambohibary VohilenaAnjozorobe, tamin’ny 30 aogositra lasa teo. Salama tsara tsy nisy naratra ilay zaza. Tsy nisy ny fandoavana ny 20 tapitrisa ariary mahery notakin’ireo jiolahy.

Nanao hetsika manokana nanenjehana an’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny kaompanian’ny Zandarimaria Imerina Centrale tato anatin’ny andro vitsy izay, vokatry ny trangana tsy fandriampahalemana misesisesy tany Anjozorobe. Zandary am-polony maro nanenjika iretsy mpaka an-keriny iretsy. “Nihatery ny fahafahan’ireo jiolahy naka ilay zaza mitsoaka ka izao navotsotr’izy ireo izao ilay ankizy. Andro vitsy lasa anefa mbola niantso ny havany izy ireo nitaky vola roapolo tapitrisa ariary mahery”, hoy ny fitantaran’ireo zandary any Anjozorobe.