Namoy ny ainy ny lehilahy, voalaza fa mpimasin’ireo dahalo malaza any Ankilizato-Mahabo, omaly maraina. Noentin’ireo zandary andeha hijoko hisambotra iretsy olon-dratsy malaza ratsy mampikaikaika ny mponina any Mahabo itsy mpimasy itsy no voalaza fa nanararaotra nitsoaka. Nitifitra ireo zandary ka teo no nahafaty ilay mpimasy.
Hanome hevitra