Tranga samihafa

Fihoaram-pefy Zandary telo mamo am-perinasa nogadraina

Tra-tehaky ny lehibeny mamo am-perinasa ireo zandary telo teo amin’ny sampanana mankany Belo Tsiribihina sy Morondava, tamin’ny alin’ny 3 septambra lasa teo. Vokatry ny fitarainan’ny olona no nahatonga ny manamboninahitra iray avy any Morondava nidina nijery ifotony ny zava-nisy. Noesorina ny basy teny amin’izy telo lahy sady noentina nankany Morondava naiditra am-ponjakely izy ireo tamin’io alina io ihany.

Nisy olona nandefa hafatra fohy tany amin’ny kaomandin’ny Vondrontobim-pileovan’ny Zandarimaria Menabe, nilaza momba ny fihetsik’ireo zandary mamo sady niady tamin’olona tamin’ny alin’ny 3 septambra. Nanome baiko naniraka manamboninahitra nidina tany ifotony itsy tompon’andraikitra itsy, tokony tamin’ny 11 ora alina.

Tsy fialokalofana

“Hita fa tena difotry ny toaka tanteraka ireo zandary telo. Noentina avy hatrany tany Morondava izy ireo. Nosaziana naiditra amponjakely. Ankoatra izay, tsy maintsy hisy ny fanasaziana mafimafy kokoa amin’ny fandikana ny fitsipika maha miaramila amin’ireo zandary mamo am-perinasa ireo”, hoy ny lehiben’ny zandary any an-toerana. “Tsy natao ho fialokalofana ny ato amin’ny Zandarimaria. Mila fahamendrehana ny asa atao ato. Izay mifanohitra amin’ izay dia tsy maintsy misy ny fepetra mifanaraka amin’ izany”, hoy ny jeneraly Rakotondrazaka Andry, kaomandin’ny Zandarimariampirenena.

Loza mitatao ho an’ny mpiara-belona ny mpitandro filaminana mirongo basy kanefa misotro toaka toy ireto tany Morondava ireto. Deraina ny fihetsiky ny mpanome vaovao nampandre avy hatrany ny lehibeny ka nahafahana nisoroka ny mety ho loza nateraky ny fisotroan-toaka am-perinasa, araka ny nambaran’ity farany. Miasa any Morondava ireo zandary telo nanao hadisoana. Voatendry hiambina kizo mety handalovan’ny jiolahy avy manafika no iraka nampanaovina azy ireo tany amin’ny sampanana Belo Tsiribihina.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao