Mikarakara fifaninanana famokarana tahirin-kevitra hampiasaina amin’ny fanabeazana na «Ressources Éducatives Libres» (REL) ny minisiteran’ny Fanabeazampirenena. Hoentina hanatevenana ny tahirin-kevitra nomerika na ny “Bibliothèque numérique”, izay efa ampiasaina eny anivon’ny sekoly ny vokatra amin’izany. Ireo mpampianatra rehetra eny anivon’ny lisea, na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo mpisehatra matihanina amin’ny famoronana tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra sy ny mpianatra no afaka mandray anjara. Amin’ny 30 septambra 2021 amin’ny 12 ora alina no fara fanoratana anarana amin’ny ny tranonkala www.education. gov.mg na koa miantso ny laharana 034 77 027 77 raha mila fanazavana fanampiny.
Hanome hevitra