Sombiny

Fiahiana valan-java-boahary

Mitady ho potika ny valanjavaboahary arovana ao amin’ny alan’i Antimena ao amin’ny faritr’i Menabe. Vokatry ny fifindra-monina nisesisesy nataon’ireo mponina tratran’ny kere avy any atsimon’ny Nosy no anton’izany. Maro amin’izy ireo no mikapa ny ala any amin’ity valan-javaboahary ity, ka miteraka fahasimban’ny tontolo iainana koa izany. Noho io antony io dia nisy ny fihaonana manokana teo amin’ireo zanaky ny faritra tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM) teny Ampefiloha, omaly. Nambaran’i Maka Alphonse , filohan’ny FFM fa andraikitra sahanin’izy ireo ny fifehezana ny fifindra-monina any atsimo, ka hisy ny fandraisana fepetra haingana momba an’ity raharaha ity.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra