Sosialy

Fanofanana arak’asa Hiankina amin’ny filàn’ny orinasa ny taranja hianarana

Hikaroka ireo fomba rehetra hoenti-manatsara ny kalitaon’ny fanofanana arak’asa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa (ETFP). Hampifanarahana ny filàn’ny orinasa amin’ny taranja hianarana eny amin’ireo ivon-toeram-pampiofanana mba hahafahana mamaly ny filàn’ny tsenan’ny asa, ny faritra ary ny mpiofana. Tamin’ny fanombohan’ny atrikasa, izay hotanterahina mandritra ny telo andro, nanomanana ny fidiran’ireo ivon-toeram-panofanana CFP sy CFPF manerana ny Nosy ho an’ny taom-panofanana 2021-2022 no nampahafantarana izany, teny amin’ny LTP Alarobia omaly. Mandray anjara amin’izany ireo lehiben’ny ivon-toeram-panofanana miisa 56 sy ny lehiben’ny sampandraharahan’ny Fitaleavam-paritry ny ETFP miisa 19. «Betsaka ireo ivon-toeram-pampiofanana any amin’ny faritra amin’izao fotoana izao no tsy mifanaraka intsony amin’ny filàna.

Betsaka anefa ireo orinasa no mitady mpiasa be dia be kanefa tsy mifanitsy amin’ny filàn’izy ireo ny taranja ianaran’ny mpianatra. Ohatra amin’izany ny any amin’ny faritra Sava, mitady ankizy hiasa amin’ny «agroalimentaire» kanefa tsy mamaly an’izany ny ivon-toeram-panofanana. Ilaina ny manitsy izany. Tanjona ny hahafahan’ireo tanora ireo miasa avy hatrany rehefa vita ny fiofanany», hoy ny minisitra Vavitsara Rahantanirina Gabriella.

Hodinihina manokana amin’ity atrikasa ity ihany koa ny salan-taonan’ireo tanora misitraka fanofanana arak’asa, mba hisorohana ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona.

“Manomboka 15 taona, araka ny lalàna, ny ankizy vao afaka manaraka fampiofanana. Hisy ny fandinihana ny fandraisana ireo ankizy latsak’io salan-taona io eo anivon’ny governemanta na ny ato amin’ny minisitera satria misy amin’ireo ankizy no nahavita kilasy fahadimy na fahaenina no miditra amin’ny fiofanana arak’asa”, araka ny fanamafisany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao