Hentitra ny kaominina Antananarivo renivohitra (KAR). Tsy hilefitra amin’ireo mpivarotra amoron-dalana intsony ireto farany ka na ireo tompona tranombarotra eny Behoririka aza hahazo sazy amin’ny fanomezana alalana ireo mpivarotra manoloana ny tsenan’izy ireo na ihany koa mamoaka entana ivelan’ny tsena.
Maro ny fitarainan’ireo mpivarotra nanaiky hiditra ao amin’ny tsenan’i Behoririka noho ny fisian’ireo mbola afaka mivarotra eny amoron-dalana, ka izao nanamafy ny tsy fahafahana manatanteraka izany izao ny kaominina.
“Efa misy ny taratasy fampahafantarana ny sazy ho azon’ireo tompona tsenambarotra ireo. Sazy ara-bola na lamandy sy fanagiazana ny entana mandritra ny fotoana voafetra no azony. Samy tompon’ andraikitra isika amin’ny fandaminana ka afaka miantso mpiambina na polisim-pirenena ianareo mba hiandry ny faritra ahafahana manala ireo mpivarotra amoron-dalana ireo”, hoy Randrianarisoa Rija, tale misahana ny tsena ao amin’ny CUA.
Fanesorana amin’ny toerana
Hosintonina ihany koa ny karatr’ireo mpivarotra efa nomena toerana ao amin’ny tsena vaovao kanefa tsy tonga mivarotra ao an-toerana. Hanampy izany ny sazy ara-bola sy ny fanagiazana entana ho an’ireto farany.
Manodidina ny fitonjato ireo mpivarotra nahazo karatra hivarotra ao amin’ny tsenan’i Behoririka. Efa nahatratra dimanjato isan’andro ireo mpivarotra rehefa manao ny fanamarinan-toerana ny ekipan’ ny kaominina, teo aloha. Tsy misy afa-tsy telonjato sisa no hita ao an-toerana amin’izao fotoana izao.
“Hosoloina ireo tokony hivarotra ny toeran’ireo niala satria efa nisy ny karatra nozaraina. Efa fantatray ireo tsy tonga ireo satria misy ny fanamarinan-toerana ataonay ao anatin’ny tsena ary manana tahirin-kevitra mikasika izany izahay. Misy ny sasany mbola mivarotra eny amoron’ny arabe ihany na dia tsy azo atao aza ka ho sarotiny izahay”, araka ny fanamafisana.
Hahazaka mpivarotra hatrany amin’ny valonjato isa ny tsenan’i Behoririka rehefa vita ny asa fanaovaozana ny toerana any amin’ny rihana farany ambony.
Hanome hevitra