Raharaham-pirenena

Fampihenana ireo voafonja Nandidy ny hanafainganana ny raharaham-pitsarana ny minisitra

Namoaka naoty mandidy an’ireo mpitsara hanafaingana ny raharaham-pitsarana eny anivon’ireo Tribonaly rehetra manerana an’i Madagasikara ny minisitry ny Fitsarana, Imbiky Herilaza, ny alatsinainy teo. Mba hahatratrarana ny tanjona amin’ny fampihenana ny isan’ireo olona tanana am-ponja vonjimaika no anton’izany, araka ny fanamby napetraky ny minisitra mpitana ny tombokasem-panjakana, fony izy vao nandray ny toerany. «Takina ny hampitomboana avo roa heny ny ezaka tanterahina amin’ny fitsarana an’ireo olona voarohirohy amina raharaha mahavoasaringotra azy. Araka ny toromarika efa nomeko dia tokony hisy ny tatitra mazava momba ny isan’ireo olona ireo, fara fahatarany amin’ny 20 septambra 2020 mba hahafahana miroso amin’izany », araka ny voalaza ao anatin’io naoty nosoniavin’ny minisitry ny Fitsarana io.

Tsy am-bava fotsiny intsony izany fa miaraka amin’ny fibaikoana fandraisana andraikitra amin’izay ny fanatanterahana ny politikan’ny minisiteran’ny Fitsarana mikasika ny fampihenana ny isan’ny voafonja eny amin’ireo fonja rehetra manerana ny Nosy. Notsindriana ao anatin’io naoty io fa efa nisy ny ezaka mikasika izany teo aloha ka nahatratrarana ny taha 60 amin’ny 40, izany hoe ny efa fihenan’ireo olona tanana amponja vonjimaika eny amin’ireo fonja ireo. «Ny tanjona anefa dia tokony ho 70 isan-jaton’ireo olona eny am-ponja no efa nandalo fitsarana ka 30 sisa ireo hotsaraina hatramin’ny faran’ity taona 2021 ity», araka ny voalaza ao amin’ity naoty ity. Taorian’ny iraka nataon’ireo tonian’ny mpampanoa lalàna nitety an’ireo fonja manerana an’i Madagasikara no nandraisan’ny minisiteran’ny Fitsarana an’ireo fepetra izao.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao