Raharaham-pirenena

Fampandrosoana isam-paritra Hoesorina ireo governora tsy mamokatra

Tsy ny governemanta ihany no hisy fanovana amin’ny ampahany fa tsy maintsy handalo fanadinana ihany koa ireo governora am-perinasa. Andrasana afaka herinandro vitsy, ka fara fahatarany amin’io fiandohan’ny volana oktobra 2021 io, ny fanesorana ny sasany amin’ireo governora isam-paritra izany. «Mety ho alohan’ny fivoriana ara-potoanan’ny parlemanta no hirosoana amin’izay fanoloana ny sasany amin’izy ireo izay», hoy ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha. Tsy mbola fantatra ny daty raikitra hirosoana amin’io fanalana an’ireo governora tsy mamokatra io. Ny azo antoka aloha dia tsy hidify an’ity faran’ny taona 2021 ity ny fanendrena an’ireo governora telo vaovao.

Isan’izany ny governoran’ny faritra Anosy, hisolo toerana an’i Jerry Hatrefindrazana, izay voatendry ho minisitry ny Asa vaventy. Eo ihany koa ny governoran’ny faritra faha-23, Fitovinany sy ny faritra Betsiboka, izay mbola tsy manana izany. Voalaza fa mety ho efatra na dimy eo ho eo ireo governora hoesorina eo amin’ny toerany.

Maro amin’ireo governora 21 nandray ny toerany no voalaza fa tsy nahatanteraka ny andraikitra andrasan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, taminy tao anatin’izay herintaona mahery nanendrena azy, na dia efa nisy aza ny teti-bola sy ny fitaovana azony. Isan’izany, ohatra, ny fanamboarana lalana mirefy 250 kilometatra ao anatin’ny iray taona.

Miandry antso

Misy amin’ireto governora ireto anefa no somary efa tara kely vao nahazo an’ireo fitaovana fanamboaran-dalana ireto ka izao vao manenjika ny efa vitan’ny hafa. Misy, ohatra, ireo governora izay tsy tazana firy ny asa tanterahiny hatramin’ izay nanendrena azy teo amin’ny toerany. Misy indray ireo miandry lava ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe ka tsy mahavita na inona na inona hatramin’ izao. «Anjaran’ny Filoha no mandanjalanja an’izay fomba fiasan’ny governora izany mandritra ny tombana ataony amin’izy ireo tsirairay», hoy hatrany iry loharanom-baovao iry. Milaza ny mbola tsy mahafantatra ny fotoana hanatontosana an’io tombana io ireo governora am-perinasa hatreto. « Mbola fivoriana ihany aloha no nataonay fa mbola tsy misy ny fampiantsoana », hoy ny iray amin’izy ireo.

Ny zoma 3 septambra teo no nanatanteraka fivoriana manokana niaraka tamin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison tany Mantasoa ireo governoramparitra manerana an’i Madagasikara. Nisy ny fandraisana an’ireo vinan’asan’izy ireo tsirairay avy izay hodinihin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao