Raharaham-pirenena

Famerenana ny fizahan-tany Hiandalana ny fisokafan’ny sidina avy any ivelany

Tsy avy hatrany dia hisokatra tanteraka amin’ireo sidina rehetra avy any ivelany ny habakabak’i Madagasikara. Handeha miandalana izany, araka ny tapaka nandritra ny fivorian’ireo minisitera voakasiky ny raharaha sy ireo matihanina misehatra eo amin’ny lafiny fizahan-tany tetsy Anosy, ny alatsinainy teo. Tsy mbola nisy ny vaovao ofisialy manambara ny vokatr’ity fivoriana ity. Tsilian-tsofina no nahafantarana an’izay fisokafana tsikelikely izay. «Miankina amin’ny fivoaran’ny fiparitahan’ny valanaretina amin’ireo firenena samihafa any ivelany izany. Hisy ny famaritana an’ireo fepetra manokana ho an’ireo firenena mbola ahitana tranga betsaka », hoy ny loharanom-baovao.

Ny faran’ny herinandro teo no nanatanteraka fihaonana manokana tamin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fizahan-tany avy any amin’ny faritra ny minisitry ny Fizahan-tany, Joel Randriamandranto. Voalaza fa mety ho ireo faritra be mpitsidika no hisokatra voalohany amin’ireo sidina avy any ivelany ireo. Efa nanambara ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina fa tokony ho amin’io volana oktobra 2021 io no hanokafana an’ireo sidina avy any ivelany hiditra eto amintsika ireo. Hiantoka ny famerenana tsikelikely ny fampiroboroboana ny fizahan-tany eto amintsika izany. Mbola hitohy tsy tapaka ity fivoriana iraisan’ireo minisitera voakasiky ny famerenana ny sidina eto amintsika.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao