Tranga samihafa

Fakana an-keriny Vehivavy roa voatafika sady lasan’ny jiolahy

Notafihin’ny jiolahy am-polony ny tokantranona vehivavy iray tany Andranomiely-Ankazobe, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Sady nalain’ireo jiolahy ny vola dimy hetsy ariary no noentin’izy ireo nanaraka azy ilay vehivavy sy ny ankizivavy iray, 15 taona tao an-trano.

Mifanampy manaraka ny dian’ireo jiolahy nitsoaka ny mponina sy ny zandary any Ankazobe taorian’itsy tranga itsy. Tsy mbola nahazoam-baovao ireo mpaka an-keriny, hatramin’ny omaly. Tsy sahy mifandray amin’ireo fokonolona manara-dia ny havan’ireo olona roa lasan’ny jiolahy, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Mizotra mankany amin’ny faritra Betsiboka ny dian’ireo jiolahy. Voalaza fa efa nampandrenesina hiandry kizo mety holalovan’ireo jiolahy ny mpitandro filaminana any amin’ny manodidina rehetra.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao