Tapatapany

Fahatrarana vola sandoka

Tra-tehaky ny polisy any Mahanoro ny lehilahy fito nahatrarana vola sandoka roa alina ariary mitentina efapolo tapitrisa ariary, afak’omaly. Miely any an-toerana ny vola sandoka ka nisy nampandre ny mpitandro filaminana momba ny fisian’ireo mpanao hosoka ireo. Nahitana dimy arivo ariary ihany koa tamin’ireo vola sandoka. Mbola nahatraran’ny polisy vato sarobidy sandoka ihany koa tany amin’ireo mpisoloky.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao