Fanatanjahantena

Baolina kitra – « Mondial 2022 » Miha maizina ny lalan’ny Barean’i Madagasikara

Manalavitra ny “Mondial 2022” ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny taranja baolina kitra. Ratsy toerana ny Barean’i Madagasikara ao anatin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ity fifaninanana hiadiana ny amboara manerantany any Qatar ity. Faharesena avokoa no nobaben’ny Malagasy, tamin’ireo lalao roa efa vitany teto an-toerana sy tany ivelany. Niondrika teo anatrehan’i Tanzania, tamin’ny isa 3 noho 2, indray isika, omaly, taorian’ny nandresen’i Bénin antsika, tetsy Mahamasina. Mihatery ny lalana ho an’ny Barea na eo aza ny fisian’ireo fihaonana efatra mbola hatrehan’izy ireo amin’ny volana oktobra sy novambra ho avy izao. Kely ihany ny herijika satria tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hitadiavan’ny ekipa malagasy fandresena amin’ireo ambindalao ireo.

Sarotra ny lalana hahatongavan’i Madagasikara hatrany amin’ny fahazoana ny laharana voalohany ao amin’ity vondrona J, hiarahana amin’i Bénin sy Tanzania ary RD Congo ity. Mety hisy ihany ny tsirimpanantenana hanohizan’ny Barea ny hazakazaka anaty fifanintsanana saingy miankina amin’ny fahazoantsika isa roa ambin’ny folo, amin’ireo lalao efatra farany ireo. Tsy mora anefa ny hahazoan’ny Malagasy an’io isa io. Raha ny filaharana vonjimaika eo amin’ny vondrona misy antsika mantsy dia efa manana tombony isa efatra alohantsika i Tanzania sy Bénin, laharana voalohany sy faharoa. Nahazo isa roa ny Repoblika Demokratikan’i Congo, fahatelo, raha toa ka mbola tsy nitoko kosa ny Barea.

Diso safidy

Maro ny lafin-javatra nitarika ny Barea tany amin’ny faharesena nanoloana an’i Tanzania, omaly. Voalohany tamin’izany ny fahadisoan’ny safidin-dRabesandratana Eric tamin’ny fandaharana an’ireo mpilalao iraika ambin’ny folo niditra voalohany. Mpilalao maromaro no tsy tafiditra mihitsy tamin’ity lalao ity, raha tsy hitanisa afa-tsy i Abel Anicet Andrianantenaina (kapiteny), izay sasatry ny manolotra baolina ho an’ny mpifanandrina amintsika. Toy izany ihany koa ny efa tsy fahombiazana teo amin’i Hakim Abdallah tetsy Mahamasina, izay mbola notohizany tany Dar Es Salam.

Vao mainka nanapoka rano ny sosoa, ny baolina voalohany matin’i Erasto Nyoni, tamin’ny alalan’ny “Penalty” taorian’ny segaondra vitsy (13 segaondra) nanombohan’ny lalao ka nitarika tamin’ ny isa 1 noho 0 ny Taifas Star avy any Tanzanie. Niharihary ihany koa ny olam-pifandraisana teo amin’ ireo vodilaharana efatra. Nandalovan’ireo lohalaharana tanzaniana fotsiny ireo vodilaharana afovoany rehefa manosika fanafihana amin’ny elatra havia i Jerôme Mombris ary any an-kavanana i Romain Métanire. Porofon’izany, nahatafiditra ny baolina faharoa ho azy teo amin’ny minitra faha-26 nilalaovana.

Famonoam-baolina

Hita ho tafapetraka ihany anefa ny endri-dalao naroson’ ny mpanazatra nasionaly nandritra ny fidirana voalohany. Fanafihana tany amin’ny elatra havia notarihin’i Mombris sy Lapoussin, izay narahin’ny tsipy baolina tao amin’ny faritra tsy azo ivalozan’i Tanzania, saingy tsy nampahatahotra ny mpiandry tsatokazon’ny mpifanandrina. Tsy nahavita nandaka nifanandrify ny tsatoby an-dry zareo Tanzaniana mihitsy isika.

Nisongadina kosa fisian’ny rindran-dalao sy mpanolotra baolina ho an’ireo mpanafika miainga avy tao afovoan’ny kianja, na dia nisy aza famotsoram-baolina matetika nataon’ireo irakiraka mpiaro nalahatry Rabesandratana Eric. Nandamòka ihany koa ny fanafihana nentin-dry Loïc Lapoussin sy Hery Bastien tany amin’ny fahatelopolo minitra, izay niezaka namahana an’i Hakim Abdallah saingy niady irery izy ireo. Tombanana ho nalama ihany koa ny kianja nilalaovana ka maro ireo mpilalao malagasy nianjerazera fotsiny.

Nampiova ny fizotran’ny lalao avy eo ny fidiran’i Njiva Rakotoarimalala, teo amin’ny minitra fahatelopolo. Nanampy tamin’ny fitadiavana irika rehetra hanakobanana ity laharana fahafolon’ny Barea ity ka nahavita namadika izany ho isa, rehefa nahazo tolotra tsara petraka avy amin’i Lapoussin. Niha nanindry ny Malagasy ary nahavita fanafihana totoafo. Nosahalain’i Thomas Fontaine tamin’ny alalan’ny “coup franc” tsara tarehy ny lalao, roa minitra tsy hifaranan’ny ampaham-potoana voalohany. Velona ny fanantenana ho an’ny Barea nanomboka teo. Nisehoana tandrevaka indray anefa teo amin’ny mpiandry vodilaharana tamin’ny fanafihana noentin’ny mpanafika tanzaniana tany namin’ny ilany havia, ka nahafatesan’i Salum Abdallah ny baolina fanampiny ho azy ireo tany anaty haraton’i Melvin Adrien. Somary nampangatsiaka ny hafanampon’ny mpilalaon’ny Barea io baolina tafiditr’i Tanzania, teo amin’ny minitra faha-52 io. Tsy nanam-bahaolana mihitsy ny Barea nandritra ireo minitra nilalaovana farany. Nadamòka ihany koa ny fanafihana nentindry Voavy Paulin sy Njiva ary Ramalingoom Alexandre, izay niezaka namahana an’i Hakim Abdallah saingy tsy nahitambokany.

Mila fiovana mahery vaika ny ekipam-pirenena

Efa manomboka ho tapitra ny herin’ireo mpilalaon’ny Barea niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can 2019) tany Ejypta. Mila fiovana mahery vaika ny ekipam-pirenentsika, raha mbola te hamerina ny fiatrehana ireo dingan’ny famaranana amin’ny fifaninanana kaontinantaly sy maneran-tany. Nikasa ny hanao izany ihany Rabesandratana Eric, taorian’ny nanendrena azy hanazatra ny Barea, saingy bitika loatra ny fanovana noentiny ka niverina indray ny faharesena nisesy nanjo antsika. Isan’ireo fanovana tsy maintsy atao ny mitady olom-baovao tanora handimby an’ireo mpilalao efa zokinjokiny ao amin’ny Barea. Toy izany ihany koa ny fitsirihana eny ifotony an’ireo mpilalao heverina hahavita miaro tsara ny tanindrazany. Fanampin’izany ny fametrahana fitsipi-pifehezana hentitra hoentina mitantana ny ekipa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao