Tranga samihafa

Adin’ny mpiray tampo Mpirahalahy nifamono teo imason-dreniny

Nifamaly tao an-tranondreniny ny roa lahy mpiray tampo, mielanelana efataona, tany Bealanana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Niitatra ny fifamaliana ka niafara tamin’ny fandraisana zavamaranitra. Ny zoky nandray angady raha nandray antsibe ny zandriny. Nofiran’ity farany tamin’ilay antsibe ny rahalahiny ka voa teo amin’ny tendany sy ny lohany. Maty teo no ho eo ilay zoky.

Tsy fitovian-kevitra kely fotsiny no nampifamaly an’ireo mpirahalahy, araka ny fitantaran’ny mponina any an-toerana. Niezaka nampihavana sy nampangina azy roa lahy ny renin’izy ireo saingy tsy nampiova ny fo rano mafana tamin’ny andaniny sy ny an-kilany izany. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny adin’izy ireo.

Nosamborin’ny fokonolona teo no ho eo ihany ilay zandry nahavanon-doza. 28 taona ilay zoky izao namoy ny ainy izao. 24 taona kosa ny zandriny. Naiditra am-ponja vonjimaika izy, omaly.