Kolontsaina

Fifaninanana mozika Tafakatra famaranana ny tarika Takasy

Voafantina ho isan’ireo hiatrika ny dingan’ny famaranana amin’ny fifaninanana mozika «World music trophy » ny tarika malagasy, Takasy, rehefa tafiditra ao anatin’ireo tarika roa amby enimpolo maneran-tany. Andrasana ny tohin’ny fandaharam-potoana manaraka.

Ny safidy nataon’ny olona tamin’ny alalan’ny fanehoankevitra momba ny sanganasan’ireo mpanakanto miseho amin’ny tranonkalan’ny «World music trophy » no nahazoan-dry Takasy ny tapakila hiakarana amin’izao dingana ambony izao. Fototra nahitan-dry zalahy an’io fahombiazana io ny fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra tao amin’ny tambajotran-tserasera «  Facebook », ka nahazoan’izy ireo fanohanana maro tokoa.

Tarika vao misondrotra saingy manana ny maha izy azy ry Takasy. Mpanan-talenta telo mirahalahy no mivondrona ao, ahitana an’i Manana sy Bosco Rakoto ary Miandry.  Fivoizana sy fampiroboroboana ny « Beko », karazan-kira avy any Atsimon’ny Nosy, no fanambin’izy ireo.

Manentana ny olona hiaro sy hikajy ny tontolo iainana ny ankamaroan’ny hiran’ny tarika. Mampiavaka azy ihany koa ny fampiasana zavamaneno samihafa, toy ny gitara,voatavomonta sy kabosy ary valiha.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao