Tranga samihafa

Trafika harena an-kibon’ny tany Talena orinasam-panjakana nitondra vato « Cristal » 200kg

Saron’ny mpitandro filaminana tany Manambotra-Farafangana ity fiara tsy mataho-dalana vaovao be nentin’ny talen’ny orinasam-panjakana lehibe iray nitondra vato “cristal” telo ambin’ny folo gony milanja manodidina ny 200kg, tamin’ny 5 jona lasa teo. Tsy misy taratasy ara-dalàna ny momba an’ireo vato. Avy any Vangaindrano nokasaina hoentina any Fianarantsoa iretsy harena ankibon’ny tany iretsy, araka ny fantatra. Nogiazana any Farafangana ireo vato rehetra. Misokatra ny famotorana momba an’io tranga io.