Tranga samihafa

Raharaha fandratrana Naverim-potsiny ilay vadintany lasibatry ny vono

Naverin’ny Fitsarana fotsiny ny raharahan’ny Vadintany iray nametraka fitoriana noho ny ratra sy vono nolazainy fa niniana natao taminy, omaly. Nitranga tamin’ny 12 mey lasa teo io heri- setra nahalasibatra azy teo am-panatanterahana ny asany, teny Soavinandriana io. Naverina eny amin’ny mpanao famotorana indray ny raharaha noho ny fisian’ny fitoriana hafa mifandray amin’ity tranga ity. Naneho ny hakiviana noho ny tsy fahafaham- po tamin’ny zava-nisy ilay vehivavy vadintany taorian’ny 10 minitra nandalovan’ny antontan-taratasiny teny amin’ny Fitsa- rana. Miandry ny fitoriana apetraky ny olona noampangainy indray ny tohin’ny raharaha.

Tsiahivina fa nanao ny asany momba ny fizaràna lova tamin’ olona mpihavana vitsivitsy teny Soavinandriana itsy vadintany itsy tamin’io andro voalazany fa niteraka ny fandratrana sy vono niniana natao taminy io.