Kolontsaina

Fifaninanana tetikasa Hanome loka dimy hetsy sy iray tapitrisa ariary ny CGM-GZ

Miverina indray ny fifaninanana fananganana tetikasa kely mikasika ny kolontsaina, karakarain’ny ivon-toerana Cercle Germano-Malagasy (CGM/Gz) Analakely. Hisokatra hatramin’ny 18 jolay ho avy izao ny fandraisana ny fisoratana anaran’ireo mpanakanto sy mpisehatra ara-kolontsaina liana rehetra. Tsy hisy lohahevitra toy ny mahazatra fa halalaka ny sosonkevitra rehetra, amin’ity fifaninanana ity. Voafaokan’ny fifaninanana ny saripika, lamaody, sary, mozika, sarimihetsika, literatiora sy poezia, ary teatra. Hovatsiana vola mitentina dimy hetsy sy iray tapitrisa ariary ny tetikasa mendrika indrindra ary haseho amin’ny rehetra, eo anelanelan’ny volana aogositra hatramin’ny novambra 2021, arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amin’ny firenena. Hanampy amin’ny fanatontosana ny tetikasa ihany koa ny CGM-GZ, Analakely. Tsy maintsy Malagasy mihoatra ny 18 taona no mitantana ny tetikasa. Lahatsoratra ampiasana teny tsy mihoatra ny zato, ampiarahina amin’ny mombamomba ny mpanakanto (CV), ny vola sy fitaovana hamitàna ny hetsika ary ny antony nandrisika hanatanteraka ny tetikasa no ilaina, ka halefa amin’ny mailaka il@cgm-mada.de. Hahazo tombony manokana ireo tetikasa miala amin’ny mahazatra, miresaka ny fiarahamonina ary mandrisika ny firaisankinan’ireo mpanakanto avy amin’ny sehatra samihafa.