Sosialy

Fampanaraham-penitra lalam-baovao Hoesorina ireo tsena kely mitady hiorina eny amin’ny “Rocade Est”

Ivarotan’olona sahady ary misy manangana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna eny amin’ny sisin’iny lalam-baovao Rocade Est, mampitohy an’Andranobevava sy Ambohimahitsy mihazo ny Boulevard de Tokyo na By-Pass iny. Nanaovan’ny ekipan’ny Boriborintany fahadimy bemidina teny an-toerana, omaly ary noentanina sy nampianarina ny fenitra tsy maintsy hajaina eny ireo sokajin’olona voakasik’izao tsy fanarahan-dalàna izao. Mpivarotra maromaro, tsena kely, trano hazo efa vita rafitra ary trano kely vita fototra amin’ny haavo 60m eo ho eo no novantanin’iretsy tompon’andraikitra iretsy. “Amin’izao ankatoky ny fitokanana ny lalam-baovao izao no nangatahan’ny orinasa mpanao lalana fiaraha-miasa taminay mba hanaovana ny fanadiovana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanesorana an’ireo mpivarotra sy fananganana tsy ara-dalàna. Manentana aloha izahay, mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra. Hanaovana tatitra miakatra any amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny zava-misy ka samy handray ny andraikitra tandrify azy ny sampan-draharaha tsirairay. Marihina fa tsy mbola azo anorenana fotodrafitrasa iny toerana iny araka ny nambaran’ny minisitera”, hoy i Herivelo Andry, lefitra faharoan’ny delegen’ny Boriborintany fahadimy. Hatreny Ankadindramamy sy Soamanandrariny izay faritra farany ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra no notsidihin-dry zareo omaly. Hampitaina ny zava-misy ihany koa ny kaominina Ambohimangakely misahana an’Ambohimahitsy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra