Sosialy

Disadisana finoana Saro-bahana ny olan’ny Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Tsy mbola miravona ny disadisa niteraka fanakatonana vonjimaika ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, efa-bolana aty aorian’ny fahavitan’ilay fifidianana ny mpikambana Filankevi-pitantanan’ny fiangonana izay nampizara hevitra.

Mbola nikatona ny fiangonana, afak’omaly. Voalaza fa tsy nahitam-bokany ny fampihaonana nitadiavana marimaritra iraisana indroa miantoana teo amin’ireo mpifanditra. Mivavaka any amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy hafa aloha ny mpiangona, eo am-piandrasana ny fisokafan’ny fiangonana indray.

Nohamafisin’ny Prefektioran’Antananarivo ny tsy fisokafan’ny toeram-pivavahana raha tsy milamina ny raharaha.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao