Fanatanjahantena

Baolina kitra – Barea Hamerina hanorina mihitsy Rabesandratana Eric

“Tonga hiasa izahay ary tsy mieritreritra ny any ambadika”, hoy Rabesandratana Eric, mpanazatra vaovaon’ny Barean’i Madagasikara, izay tonga omaly, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy sy ireo mpilalao mpila ravinahitra iraika ambin’ny folo. Mikasa ny hamerina hanorina ekipam-pirenena vaovao vonona hikatsaka tapakilan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany ho an’ny taranja baolina kitra na ny “Mondial” ny lehilahy, raha fintinina ireo voalazany tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano, trano fandraisam-bahiny hitobian’izy ireo mandritra ny fampivondronana.

Fitsapana isan’andro

“Tena faly aho tonga eto. Efa tsindrin-daona ny tenako sy ny mpiara-miasa amiko hanomboka ny asa. Milamina ary nizotra araka ny tokony ho izy ny fifandraisako amin’ izy ireo. Ankoatra an’izay, hamafisiko fa hamantarana an’ireo mpilalao ara-batana sy ara-tsaina no tena antopisian’io fampivondronana io”, hoy i Eric Rabe, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny maraina.

Mbola nanamafy izany ihany koa izy tamin’ny fanambaràny an’ireo fandaharampotoanan’ny fampivondronana, ny takariva. “Hisy ny fanazaran-tena ny maraina sy hariva, ankoatra ireo fiarahana sy fampianarana anaty efitrano. Hiainga amin’ireo mpilalao ireo izahay saingy tsy mikatona kosa ny varavaran’ny Barea ho an’ireo mpilalao hafa”, hoy izy. Hisy ny tomban’ezaka isan’andro ho an’ireo mpilalao tsirairay avy, mandritra ny fampivondronana.

Hiverina eto Madagasikara hijery an’ireo mpilalao i Fabiano Flora, mpanazatra mpanampy teratany portigey, sady hiarahiasa amin’ireo teknisiana malagasy amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra malagasy. “Tsy hoe rehefa mpanazatra ianao dia mendrika ny hitondra ekipa hiatrika “Mondial” fa mila miasa ary efa nifampiresahanay sy Rabesandratana Eric izany”, hoy ity teknisiana efa nitantana ny ekipa tanoran’i Juventus Turin ity, naneho ny fahavononany hiara-hanorina Barea amin’ny lehibeny. “Hojerena ny toetran’ireo mpilalao ara-batana sy ara-tsaina amin’ izay asa ampanaovinay azy ireo. Miankina amin’izany no hanaovana tomban’ezaka ny zava-bitan’ny tsirairay eny ankianja sy ivelan’ny kianja. Tsy rehefa milalao baolina ihany no atao hoe mpilalao iraisampirenena fa ilaina ihany koa ny mijery ny fomba fiainany”, hoy i Eric Rabe.

Hanomboka eny amin’ny kianjan’i Mahitsy, anio amin’ ny 8 ora sy sasany, ny fanazaran-tena ho an’ireo mpilalao enina amby roapolo miatrika ny fampivondronana. Hitohy amin’ny 2 ora sy sasany eny an-toerana hatramin’ny alarobia.

Hiatrika ny lanonampanokanana amin’ny fomba ofisialy ny kianjan’Ambohidratrimo kosa izy ireo, ny alakamisy. “Mety hisy ny fihaonana hataonay eny antoerana, mialoha ny sabotsy izay hisian’ny lalao fitsapana eo amin’ny samy mpilalaon’ny Barea”, hoy hatrany izy.

Fifandraisana amin’ny any ivelany

Isan’ireo zava-dehibe ho an’ny baolina kitra malagasy ihany koa ny filazan-dRabesandratana Eric fa “hitady hevitra ny hampifandray ny Federasiona malagasy sy ny federasiona frantsay”. “Mety hisy ary ho maro ireo mpanazatra malagasy hahazo fiofanana na hifampizara traikefa amin’ireo teknisiana frantsay. Hoezahina ny hanatsara ny baolina kitra malagasy, izay tafiditra ao anatin’ny asa iandraiketanay. Tsy ny ekipampirenena lehilahy senior ihany no tokony ho reharehan’ny baolina kitra malagasy fa hatramin’ireo vehivavy sy tanora ihany koa”, hoy hatrany ity mpanazatra ity.

Mpila ravinahitra efatra ambin’ny folo

Mpila ravinahitra efatra ambin’ny folo amin’ireo telo amby roapolo nantsoina handrafitra ny Barea no tonga eto Madagasikara, hamonjy ny fampivondronana voalohany tarihindRabesandratana Eric, mpanazatra nasionaly. Taorian-dry Razakanantenaina Pascal na i Bapasy sy Rakotondrabe Fabrice ary Melvin Adrien dia tonga omaly ry Andrianantenaina Anicet, Marco Ilaimaharitra, Dimitry Caloin, Ibrahim Amada, Voavy Paulin, Jérôme Mombris, Jérôme Morel, Loïc Lapoussin, Hakim Abdallah, Randriamamy Mathyas ary Andriamahitsinoro Carolus. Teny am-pahatongavana dia niatrika avy hatrany ny fitiliana Covid-19 ireto delegasiona avy any Eoropa ireto vao namonjy ny hotel Ibis, trano fandraisambahiny itobian’izy ireo mandra-pahavitan’ny fampivondronana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao