Raharaham-pirenena

Ady amin’n y kolikoly Hitsara raharaha dimy samihafa ny PAC

Nisokatra omaly tolakandro ny fotoam-pitsarana andiany voalohany eny amin’ ny Tendrom-pitsarana miady ny kolikoly (PAC) eny 67Ha. Raharaha dimy no hokirakirain’ireo mpitsara. «Iray isan’ andro ny raharaha hotsaraina. Raharahana zava-mahadomelina mifandray amina raharaha kolikoly ny telo, raha fanodinkodinana fananampanjakana sy famotsiam-bola ny roa», hoy ny fanazavandRazafindrakoto Solofohery, Tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny PAC tamin’ny antso an-tariby omaly.

Miandry ny fotoam-pitsarana manaraka kosa ireo raharaha goavana mahavoasaringotra an’ireo mpandraharaha malaza, toa an-dry Razaimamonjy Claudine sy ry Rajaonah Mbola.

« Ho hita eo ihany anefa ny fandaminana eto amin’ny PAC, na izany aza. Mety handeha tsy ho ela ireny raharaha ireny», hoy ihany izy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra