Tranga samihafa

Fanafihana sy vono olona Lehilahy voatifitra teo amin’ny fony

Notafihin’ny lehilahy dimy nitam-basy ny trano roa teny amin’ny fokontany Ampahibato, Alasora, tamin’ ny alin’ny talata nifoha ny alarobia 3 jona lasa teo. Namoy ny ainy voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray, efatra amby efapolo taona. Ny bala niditra teo amin’ny fony no nitarika ny fahafatesany teo no ho eo.

Vola sy firavaka volamena, finday, vata fahitalavitra no lasan’ireo olon-dratsy.  Eo am-panaovana ny fanadihadiana momba io fanafihanjiolahy io ny zandary eny Alasora.

Nitety nandroba tao amina trano roa mifanakaiky tao amina fokontany iray ireo jiolahy. Tao amin’ny trano farany no namonoan’izy ireo ny lehilahy iray. Voalaza fa niezaka nanohitra sy niaro ny vady aman-janany io lehilahy io saingy tsy nananan’ ireo jiolahy antra. Nitifitra iretsy farany. Nanohy nandraoka ny entana sy ny vola rehetra ireo mpanafika, nialoha ny nandosirany.