Raharaham-pirenena

Minisitry ny fitsarana Tsy manilika ny mety ho fanovàna ny lalàna mifehy ny HCj

Niaiky ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques, fa mampanano sarotra ny fanenjehana an’ireo mpitondra ambony ny lalàna mifehy ny Fitsarana avo misahana ny fitsarana an’ireo mpitondra ambony (HCJ). Nambarany, tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly fa: “lasa miteraka mizàna tsindrian’ila ny fisian’ilay fepetra manokana, dia ny fahefana omena an’ireo depiote eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’ny fankatoavana na tsia ny fanenjehana an’ireo mpitondra ambony ireo”.

“Ny madinika foana tokoa no avy hatrany dia miditra am-ponja fa ireo vaventy kosa mbola miriaria ary miandry ny hevitr’ireo depiote. Hojerena ary hoezahina ny fanamorana ny fepetra fanenjehana”, hoy ny minisitry ny Fitsarana. Na izany aza dia nolazainy fa tokony hotsaraina avokoa ireny raharaha mahavoasaringotra mpitondra ambony ireny.

Isan’ireo nanolo-kevitra ny amin’ny tokony hanovàna an’io lalàna mifehy ny HCJ io ihany koa i Clément Jaona, filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (Smm).

« Tokony handalo fitsarana tsotra toy ny rehetra ireo mpitondra ireo rehefa vita ny fotoam-piasany, ka raha tsy misy ny fanovàna ny lalàna dia tokony ho foanana fotsiny ny Hcj », hoy izy.