Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Mpandeha môtô maty tsy tra-drano

Namoy ny ainy teo no ho eo ny lehilahy iray, efatra amby roapolo taona, nandeha môtô teny amin’ ny lalam-pirenena faharoa, teny Kianja Ambo­himan­gakely, ny alin’ny alaka­misy tokony ho tamin’ny valo ora. Nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray ny kodiaran-droa nentiny.

“Nikasa hisongona fiara teo alohany ilay môtô avy aty an-drenivohitra ho any Ambohimangakely no nifa­tratra tamina fiara iray nifanena taminy”, hoy ny zandary manao ny fanadihadiana. Voalaza fa nande­ha mafy ny kodiaran-droa. Tsy tanan’ny mpamily anefa ny familiana. Nikorisa tao ambanin’ny fiara ny môtô. Nipitika ilay lehilahy nitondra azy.

Voatazona alaina am-bavany eny amin’ny Bori­gadin’ny zandary, eny Ambohimangakely, ny mpamilin’ny fiara tra-doza. Efa natolotra ny fianakaviana kosa ny razana.