Samihafa

Fifandonana mahery vaika Lietnà iray naratra voatifitry ny mpandroba banky

Naratra mafy ka voatery nentina tamin’ny angidimby niakatra aty an-drenivohitra ny manamboninahitra zandary iray, tany Toamasina, tamin’ity herinandro ity.

Nifampitifitra tamin’ny jiolahy nandroba banky iray izy sy ny namany. Tsy misy atahorana ny ainy eny amin’ny hopitaly Soavinandriana. Namangy azy teny ireo tompon’andrai­kitra ambony eo anivon’ny Zandarimaria, notarihin’ny jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria na ny Seg, omaly.

“Nahazo loharanom-baovao ny Kaomandin’ny kaompania ao Toamasina fa misy jiolahy dimy miaraka amin’ny volabe avy nangala­rina tao amin’io banky io ao amin’ny toerana antsoina hoe Mahasoa-Ambodindratoha, any Toamasina II, ny alin’ny 30 mey tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Nandeha nijery izany ireo zandary no niantefan’ny tifitr’ireo jiolahy. Voa ilay lietnà lefitry ny kaomandin’ny kaompania. Namoy ny ainy ny roa tamin’ireo jiolahy”, hoy ny fanazavana.

Nomen’ny Zandarimaria taratasy fankasitrahana sy vola roa tapitrisa ariary izy, omaly. Nilaza ny Seg fa: “hiantohan’ny fanjakana avokoa ny lany rehetra amin’ny fitsaboana azy”.