Zavakanto

JAO’S PUBA “Dinidiniky awoe” hiarahana amin’i Sisca

Fifampiarahabana nahatratra ny taona miaraka amin’i Sisca no hisongadina etsy amin’i Jao’s Pub Ambohipo, anio manomboka amin’ny 9 ora alina. Mpanakanto vehivavy anisan’ireo manana ny lazany i Sisca. Mivoy ny gadona mafana avy any amin’ny ilany avaratry ny Nosy izy ka hitondra ny mozika mafana ho an’ireo mpanatrika. Nomena ny anarana hoe “Dinidiniky awoe” rahateo ity fampisehoana hataony ity.

 

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra