Zavakanto

IFM ANALAKELY Fetin’ny horonantsary homarihina amina sanganasa

Hetsika iray efa nandrasan’ny maro ny fetin’ny horonantsary na “Fête du cinema” etsy amin’ny Institut français Madagascar, izay hotontosaina anio ka hatramin’ny alahady 10 febroary ho avy izao. Horonantsary enina no halefa mandritra ireo fotoana ireo.

Hanokatra ny hetsika, amin’ny 7 ora hariva, “Paul Sanchez est revenue!”, sanganasan’i Patricia Mazuy
Rahampitso amin’ny 10 ora sy sasany antoandro kosa ny “Turbulences”, famoronana nataon’i Daniel Kamwa. Aorian’io, hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany antoandro ny “Les aventures de Spirou et Fantasio”, sarimihetsika notontosain’i Alexandre Coffre. “Wine calling” an’i Bruno Sauvard kosa no halefa amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Amin’ny 6 ora hariva no hahitana ny “Bohemian Rhapsody”, famoronana nataon’i Bryan Singer. Hamaranana ny fandefasana amin’ny sabotsy ny horonantsarin’i Dominique Rocher II, mitondra ny lohateny hoe : “La nuit a dévoré le mode.”

Ho an’ny alahady 10 febroary, dia amin’ny 12 ora sy sasany no hanomboka ny fijerena ny sarimihetsika “Les aventures de Spirou et Fantasio”. Amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro kosa no hiverina ny “Paul Sanchez est revenue!” Amin’ny 5 ora hariva no hamaranana ny hetsika “Fête du cinema” ka ny “Bohemian Rhapsody” no hanakatonana izany.
.

 

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra