Zavakanto

CINEPAX Ho an’ny mpijery ny “Spiderman new generation”

Sarimihetsika maromaro no ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fandefasana horonantsary etsy amin’ny Cinepax Ambodivona, amin’izao faran’ny herinandro izao. Rahampitso sabotsy 9 febroary amin’ny 10 ora antoandro no hahitana ny tantaran’ny “Dragon 3”. Haroso ho an’ireo mpijery amin’ny 11 ora antoandro kosa ny “Bumblebee”. Isan’ny be mpiandry indray ilay tantara“Spider-man new generation”, izay handeha amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro.

Ny alahady 10 febroary indray dia haverina amin’ny 12 ora sy sasany antoandro ny fandefasana ny “Dragon 3” sy ny “Bumblebee” amin’ny 11 ora antoandro . Ny tantara “Creed II” no hanohy izany amin’ny 6 ora hariva ary “Aquaman” no hamarana ny sarimihetsika hatolotra amin’ny 8 ora alina.