Fanatanjahantena

BILLARD – TOURNOI VÉTÉRANS Mbola tsy lefy laza i Mamih Master

Nisongadina indray ilay mpilalao tompondaka sangany fahiny, Raharijaona Mamisoa Bruno na i Mamih Master.
Norombahin’ity farany ny amboara sy lelavola efatra hetsy ariary rehefa nandavo an’i Rindra avy amin’ny In Square Billard Club izy, tamin’ny famaranan’ny fifaninanana ho an’ireo tranainy na “vétéran” mihoatra ny 40 taona, natao ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Perfect Club Billard eny Ankazomanga. Marihina fa tompon’andraikitra voalohany ao amin’io toeram-pilalaovana io ihany i Mamih.

Roa hetsy ariary ny loka ho an’ny tompondaka lefitra ary dimy alina ariary ho an’ny laharana fahatelo, Ndrasana izay mpilalaon’ny PCB ihany. Nahatratra enina amby roapolo ireo mpilalao avy amina klioba enina eto an-drenivohitra niatrika ity fifaninanana ity. Niorina ny taona 2018 ity toeram-pilalaovana eny Ankazomanga ity ary efa nandray fifaninanana maro, toy ny “Grand tournoi international” indroa nisesy ny volana aogositra sy oktobra tamin’ny taon-dasa. Taorian’io ny fifaninanana ho an’olon-tokana vehivavy sy “Tounroi de Noël” ny volana desambra. Hifanesy manaraka ny “Tournoi de Saint-Valentin” hatao ny 23 sy 24 febroary harahin’ny fifananana an’olon-tokana vehivavy amin’ny 9 marsa.