Tapatapany Tranga samihafa

Ravan’ny pôlisy

Voasoroka ny fanafihana nokasain’ireo dahalo natao tany amin’ny faritra andrefan’i Manja, afak’omaly. Voasambotra ny lehilahy iray voalaza fa lehiben’ireo dahalo ireo niaraka tamin’ny basy iray tany aminy. Teny ambony taksiborosy hihazo an’i Morondava io lehiben’ny dahalo io no voasambotra. Niaiky izy fa lehiben’ireo dahalo ary nikasa ny hanao ny fanafihana izy ireo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Pôlisim-pirenena.