Fanatanjahantena

MOTOCROSS – MX ANTSIRABE Hifandona any Antsirabe i Claudio sy Ranty

Adin’ny samy henjana. Hiroso amin’ny dingana fahasivy, mialoha ny farany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja hazakazaka motocross, amin’ny alahady ho avy izao.

Hotanterahina any Antsirabe izany hetsika izany ka isan’ny hanamarika ny fotoana ny ady goavana indray eo amin’i Claudio Tida (KTM SX-F250) sy Ranty Ernest (Husqvarna FC 250), izay mifanenjana eo amin’ny fiadiana ny laharana voalohany amin’ity taom-pilalaovana ity.

Manana isa 376 i Claudio, ankehitriny, raha 372 isa kosa ny an’i Ranty. Ny fahazoan’i Claudio ny laharana voalohany tamin’ny dingana fahavalo no nahatonga azy ho eo aloha.

Tsy lavitra fa eo akaiky ihany koa ny toerana misy an’i Randy Rakotoarimanana (Kawasaki KXF 250), amin’ny alalan’ny isa 257.

Na izany aza anefa dia misokatra ho an’i Claudio (efa indimy voahosotra ho tompondaka) sy Ranty ny ady anaram-boninahitra.

Hisy dingana roa hotanterahina amin’ity “MX Antsirabe” ity ka haharitra 25 minitra ny dingana iray. Ny Bira Moto Club avy any Antsirabe no misahana ny lafiny fikarakarana ny hetsika.