Fanatanjahantena

BASKET-BALL – «CCCOI 2018» Nomontsanin’ny Cospn ny solontena maorisianina

Fandresena faharoa. Taorian’ny nandresen’ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy taranja basket-ball na Cospn ny ekipan’ny Beau Vallon, tamin’ny andro voalohany ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina ho an’ireo klioba tompondaka, dia nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa 94 noho 40, omaly, ny ekipan’ny Mahebourg Flippers BC avy any Maorisy. Fandresena roa no azon’ity hany ekipa solontenan’i Madagasikara ity tamin’ireo lalao roa efa vitany. Mbola hiatrika ny lalao fahatelo ho azy ireo, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra fahafito, ity ny ekipan’ny Pôlisim-pirenena malagasy anio. Ny Premium Cobra, avy ao Seychelles, no hifandona amin’izy ireo amin’izany.

Aorian’io dia hiatrika ny lalao miverina indray ireo klioba efatra natambatra ao anatin’ny vondrona tokana. Ny isa azo amin’ireo lalao mandroso sy miverina ireo no atambatra ka hahafahana mamaritra izay hisolo tena ny faritra fahafito amin’ny fifaninanana kaontinantaly na ny “Afroligue” amin’ny taona ho avy.