Vonona ny ekipan’ ny AS Jet Mada hiady ny laharana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny klioba matihanina na ny “Pro League”. Isan’ny ekipa manana ny maha izy azy ny klioba taranja baolina kitra AS Jet Mada an’Itasy.
“Ny firaisankina eo aminay mpilalao no mampiavaka anay izay hoentinay hangalana ny laharana voalohany”, hoy Andriampanasina
Mahery Radoniaina Yves na i Tsalo, kapitenin’ny ekipa.
Laharana faharoa vonjimaika ny As Jet Mada aorian’ ny Cnaps Sports nandritra ny andro roa tontosa. Miendrika ady laharana voalohany vonjimaika ny lalaon’izy ireo, hatao amin’ny sabotsy izao, eny amin’ny kianja Vontovorona.
Mitondra am-bavaka hatrany ny ekipa ihany koa izy ireo fa tsy miankina amin’ny fanazarantena fotsiny ihany. “Miara-mivavaka hatrany izahay isaky ny mivondrona manomana lalao”, hoy ihany ity kapiteny ity. Manana ny mpitsabony manaraka azy sy mpanao “kiné” izy ireo amin’ ny lafiny fikojakojana ny vatana.
Mitarika vonjimaika ny Cnaps Sport amin’ny filaharana. Samy fandresena roa avokoa no vokatra azon’ny ekipa roa tonta taorian’ireo andro roa tontosa. Tsy manana ahiahy anefa ny ekipany, raha ny voalazan’ i Tsalo, noho izy ireo efa nifandona tamin’ny Cnaps Sport teo aloha na dia teo aza ny fanombohana tsara nataon’ity klioba avy any Matsiatra Ambony ity nanoloana ny FC Ilakaka
(7-0).
Manana tombony ny Cnaps Sport tamin’ny fanomanana noho ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikana (Caf) farany teo. Ny fahaizan’ireo mpilalao miaraka eny ambony kianja kosa no hoentin’ny
As Jet Mada hanindriana ny mpifanandrina aminy.
Sendra Rabearimanana
Hanome hevitra