Amin’ny sabotsy 16 oktobra 2021 ho avy izao no hanatontosana ny fifidianana an’ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM). Io no tapaka taorian’ny fivorian’ny vaomiera iraisana misahana ny famoahana an’ny lisitr’ireo mpanao gazety matihanina, ka nampahafantarina izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, teny amin’ny minisitera iadidiany, teny Anosy, omaly.
Miisa sivy sy dimanjato sy arivo ireo mpanao gazety handray anjara amin’ny latsabato hifidianana an’ireo mpikambana vaovao handray toerana ao amin’ny Holafitry ny mpanao gazety. Miisa telo amby sivifolo ireo handrafitra ny biraon’ny OJM, izay ahitana filoha lefitra sy mpanolotsaina misolo tena an’ireo faritra telo amby roapolo manerana an’i Madagasikara. Ireo mpikambana vaovao ao amin’ny OJM no hisahana ny fitsinjarana ny karatra maha mpanao gazety matihanina.
Hanome hevitra