Sosialy

Fitaterana eto an-drenivohitra Takian’ny mpamily fiarakaretsaka ny hanenjehana ireo taksy-môtô

Mbola misy ireo taksy-môtô miasa eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana izao, na dia tsy nankatoavin’ny filankevitra monisipaly aza ny fampanarahan-dalàna azy ireo. Mitaky ny hanenjehana ity fitaterana tsy ara-dalàna ity, noho izany, ireo mpamily fiarakaretsaka satria manimba ny asan’izy ireo ny fisiany.

Misy amin’izy ireo mihitsy no miantsona eny amin’ireo fiantsonan’ny taksy sy ny taksibe. Vonona hanome tanana ny mpitandro ny filaminana ny mpitondra taksy hahafahana manara-maso ireo taksy-môtô.

“Tsy tokony hisisika mihitsy ireo taksy-môtô ireo rehefa tsy ara-dalàna satria na ny fandriampahalemana ho an’ny mpandeha aza tsy misy. Efa tsy nanaiky ny fisiany ny tanànan’Antananarivo ka angatahina ny kaomisarian’ny boriborintany enina mba handray andraikitra. Tokony hanaitra ireny polisy misahana ny fitaterana ireny ny samy mpamily taksy mampahafantatra ireo taksy-môtô”, hoy ny mpitondra taksy, mpikambana ao amin’ny « Comité stratégique secteur taxi » na CSST, ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Nilaza kosa ny avy ao amin’ny kaominina fa mitohy ny fanenjehana efa nataon’izy ireo hatramin’izay.