Sosialy

Fiparitahana valanaretina Ahiana hampirongatra ny pesta ny doro tanety

Tafiditra tanteraka anatin’ny vanimpotoanan’ny pesta isika, ankehitriny, araka ny fampahafantaran’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mampiahiahy ny fisiana doro tanety, izay mirongatra eny amin’ireo lalam-pirenena, indrindra eny amin’ny lalampirenena fahefatra (RN4). Mampandositra an’ireo voalavo, biby mpamindra an’ity valanaretina ity amin’ny olona, ho eny an-tanàna ny fisian’ireny doro tanety ireny.

Miezaka mifehy ny tsy hiparitahan’ny valanaretina tamin’ireo tanàna nahitana trangana pesta anefa ny minisitera miaraka amin’ireo manam-pahefana an-toerana. “Manomboka misy ny doro tanety. Amin’iny lalana Ankazobe iny no hitanay fa misy an’izany. Isan’ny mandrisika ny voalavo any an-tsaha hiakatra an-tanàna anefa ity doro tanety ity. Rehefa tonga antanety anefa ny voaloavo dia miparitaka ny parasy”, hoy Dr Rakotoarivony Manitra, talen’ny Fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamambahoaka.

Isan’ny nahitana trangana pesta, tany amin’ny kaominina Miandrandra, distrikan’ Arivonimamo, faritra Itasy. Nahitana ihany koa tany Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony ary Ambalavao, izay efa samy voafehy avokoa, amin’izao fotoana izao.

Ho an’ny tao amin’ny kaominina Miandrandra, tamin’ ny 30 aogositra lasa teo no nisy tranga farany tany antoerana, araka ny nambaran’ ny Dr Randriatsarafara Fidiniaina, tale jeneraly misahana ny fisorohana ara-pahasalamana (DGMP) ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamambahoaka. Mbola eny amin’ny toeram-pitsaboana ireo olona roa amby roapolo voan’ny pesta aretin-tratra noho ny halavan’ny fitsaboana. Olona fito hatreto no namoy ny ainy.

Nanafatra kosa ny Dr Rakotoarivony Manitra, fa mila mitandrina amin’ny fampiasana ireo ody parasy vidina eny an-tsena. Indraindray mitapoka rano be loatra izy ireny ka manjary tsy mahafaty ny parasy akory vao mainka manome hery fanoherana ho azy ireo. Hajaina tsara ihany koa ny fahadiovan’ny any an-tokantrano sady ady amin’ny parasy no miady amin’ny voalavo. Mila manatona ny tobim-pahasalamana rehefa misy hafanana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao