Handeha tsikelikely ny fifidianana an’ireo solontenan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny endriny vaovao. Hisantatra izany ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, izay nanomboka ny fandraisana ny antontantaratasy firotsahan’ireo kandidà hisolo tena an’ity andrimpanjakana ity eo anivon’ny rafitra mpanomana sy mpikarakara ny fifidianana. Hitarina hatramin’ny fotoana mbola tsy voafetra io fandraisana ny antontantaratasin’ireo kandidà amin’izany.
«Betsaka ireo taratasy karakaraina ka nahemotra kely izany, mba hahafahan’izay rehetra maniry hirotsaka amin’ny fifidianana mandray anjara. Tsy hirotorotoana koa satria, mbola malalaka ny fotoana», hoy Rakotoarisoa Florent, filohan’ ny HCC, omaly, tamin’ny antso an-tariby.
Samy tsy mbola rototra amin’ny firosoana haingana amin’ny fifidianana izay hisolo tena azy ao amin’ny Ceni, ihany koa ireo rafitra sasany manana anjara toerana ao amin’ity vaomiera ity. Ny fiarahamonim-pirenena, izay manana toerana roa ao amin’ny Ceni, ohatra, dia nangataka amin’ny Fanjakana ny hananganana komity manokana mihitsy hisahana ny fikarakarana an’io fifidianana io. «Mba tsy hisiana resaka politika no anton’izany», araka ny fanambaràna navoakan’ny Komity mpanara-maso ny fifidianana, fanabeazana olom-pirenena Kmf/Cnoe. Didim-panjakana avy amin’ny governemanta no hamaritra an’ireo fitsipidalàna harahina amin’izany latsa-bato hataon’ny fiarahamonim-pirenena izany.
Miandry amin’ny oktobra
« Ny Ceni kosa no hanamarina raha toa ka olona efa mba niasa tamin’ny fanarahamaso ny fifidianana teo amin’ny sehatra nisy azy ireo kandidà hirotsaka», hoy Rakotondrazaka Fano, mpampaka-tenin’ny Ceni, omaly. Notsindriany anefa fa tsy miditra amin’ny fanarahamaso ny latsa-bato hataon’ ireo rafitra hifidy izay solontenany handray toerana ao amin’ ny Ceni ireo mpikambana ao amin’ity rafitra ity.
Fantatra kosa fa amin’io volana oktobra 2021 ho avy io vao hiroso amin’ny fifidianana izay hisolo tena azy ao amin’ny Ceni, ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona. Toerana iray avy no anjaran’ ireto andrimpanjakana ireto ao amin’ity rafitra mpanomana sy mpikarakara ny fifidianana ity. «Tsy maintsy hatao ao anatina fivoriana ofisialy ny fifidianana an’ireo mpikambana ireo, ka araraotina amin’ny fivoriana ara-potoana izay hanomboka amin’ny volana oktobra izao ny fanatanterahana azy», hoy ny loharanom-baovao iray, tao amin’ny Antenimierampirenena, omaly.
« Ny an’ny Holafitry ny mpanao gazety na OJM dia aorian’ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ny birao vaovao. Mbola tsy misy kosa ny daty raikitra hanatanterahana azy», araka ny fanazavana nentin-dRakotondrasoava Fetra , tale jeneralin’ ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina. Toy izany koa ny an’ny Holafitry ny mpisolovava sy an’ny Fitsarana tampony.
Mpikambana sivy no mandrafitra ny Ceni, ka ny valo amin’ireo no mandalo latsa-bato ny fifidianana azy. Roa avy amin’ny parlemanta, roa avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, iray avy amin’ny HCC, iray avy ihany koa no misolo tena an’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny Holafitry ny mpisolovava ary ny iray farany avy amin’ny Fitsarana tampony. Tendren’ny Filohan’ny Repoblika kosa ny mpikambana fahasivy. Mbola samy tsy nisy nahenoam-peo momba ny fikarakarana ny fifidianana izay ho solon-tenan’izy ireo kosa ny avy amin’ireo Holafitra roa sy ny Fitsarana tampony.
Hanome hevitra