Sosialy

Fifindrana eny amoronakona Miandry fihaonana amin’ny minisitera ny mpitatitra

Andrasan’ny mpitatitra eny amin’ny Fasan’ny karàna ny fihaonana amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny toetrandro mikasika ny famindrana azy ireo eny amin’ny tobim-piantsonana Amoronankona. Mbola mitana ny fanapahan-keviny amin’ ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny toerana ireo mpitatitra noho ny halavirana sy ny tsy fetezan’ny fotodrafitrasa ho azy ireo.

“Efa nilaza ny minisitra fa tsy terena ny olona hanatanteraka izany, taorian’ny fihaonana taminy sy ireo solontenan’ny mpitatitra eto Madagasikara. Miandry ny fampiantsoan’ny minisitra indray izahay ka miankina amin’izay no ahitana ny tena fanapahan-kevitra farany. Tsy mbola nisy didim-pitondrana aloha hatreto mikasika ny famindrana anay eny an-toerana”, hoy Andrianaivo Andrien, mpitantana ny toby fiantsonana Fasan’ny karàna.

Notsindrian’itsy farany fa tsy mety amin’ny filàn’ny kaoperativa sy ny mpitatitra ary ny mpanjifa ny fotodrafitrasa eny an-toerana.

Efa nilaza ny minisitra Tinoka Roberto fa hiarahana midinika daholo ny zavatra hotapahina rehetra hoentina mampandroso ny tontolon’ny fitaterana, ny dinika araka asa rehetra eo amin’ny asa fitaterana manerana ny Nosy. Andrasana, araka izany, ny mety ho vokatry ny fihaonan’ny roa tonta.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao