Tranga samihafa

Fifamaliana tao anaty fiara Mpamily taksibe sy ny mpanampy azy nandratra mpandeha

Maratra mafy, tapaka ny tongotry ny lehilahy iray mpandeha tao anaty taksibe teny Ampamantanana-Androndra, tamin’ny alakamisy 2 septambra lasa teo. Vokatry ny fifamaliana teo amin’ilay mpandeha sy ny mpanampy ny mpamily noho ny taingim-be tao anaty fiara no nitarika ny vono sy ratra niniana natao tamin’ity mpandeha. “Tsy mbola nahazo ny fitarainan’ilay mpandeha izahay”, hoy ny kaomisera Wheins Ostrom, lehiben’ny polisy monisipaly.

“Nandeha tamin’ny taksibe iray avy any Ambohimiandra nankany Ampamantanana ny lehilahy iray. Teny an-dalana, voalaza fa tsy nitsahatra nampiditra olona ny mpanampy ny mpamily. Noho ny habetsahan’ny mpandeha tao anaty fiara dia niteny ilay lehilahy fa betsaka loatra ny olona ao anaty fiara. Tezitra ny mpanampy ny mpamily vokatr’io teny io ka niafara tamin’ny fifamalian’ny roa tonta. Tonga teny amin’ny fiantsonan’ny fiara ilay taksibe eny Ampamantanana. Mbola nitohy ny fifamaliana ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana ilay mpandeha”, hoy ny loharanom-baovao.

Fanampian’ny lehiben’ny fokontany

Tonga teny an-toerana ny lehiben’ny fokontany nanasaraka sy nitondra ny maratra haingana tany amin’ ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha. Mbola any amin’ny hopitaly io lehilahy io hatramin’ny omaly. Miaina tsara manohy ny asany toy ny isan’andro tsy manana ahiahy ny mpanampy sy ny mpamily voalaza ho nahavanon-doza.

“Tsy mbola nahalala ny zava-nisy izahay hatreto. Mifehy ny asan’ny taksibe eto an-drenivohitra ny bokin’ andraikitra. Voahaja ve ny bokin’andraikitra sa tsia? Raha misy ny tsy fanajana izany dia mandray fepetra ny kaominina manasazy. Mety hiafara amin’ny fisintonana ny fahazoan-dalana mitrandraka an’ilay taksibe ny fanasaziana. Ny mpandeha indray, raha mahatsikaritra tsy fanajana bokin’andraikitra, dia afaka mampandre ny kaominina avy hatrany. Miantso io olona niharam-boina io izahay mba hametraka fitarainana eny amin’ny Lapan’ny tanàna na hanatona avy hatrany ny foibe ny polisy monisipaly eny Anosimpatrana”, hoy ny kaomisera Wheins Ostrom, lehiben’ny polisy monisipaly.