Nahemotra amin’ny fotoana voafetra ny famolavolana an’ilay lalàna tokony hihatra amin’ny fandraisana mpiasampanjakana vaovao. «Mbola ho hita eo izay ho tohiny. Amin’ izao fotoana izao aloha dia ilay lalàna teo aloha ihany no ampiasaina», hoy ny minisitry ny Asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, Ranampy Gisèle, tamin’ny antso an-tariby.
Antony saika hikitihana an’io lalàna mifehy ny fampidirana mpiasam-panjakana io ny fametrahana fifanarahana manokana eo amin’ny mpiasa vao hiditra sy ny Fanjakana.
«Efa misy ihany izy io ao anatin’ilay lalàna teo aloha ka tsy misy ny olana. Nitoeran’ny ahiahy mantsy ilay mety ho fandavan’ireo mpiasa sasany ny fanendrena azy any amina toerana ivelan’ny renivohitra, ohatra», hoy hatrany ny minisitra Ranampy Gisèle.
Amin’izao fotoana izao dia efa samy nandray mpiasampanjakana vaovao, araka ny tetibola misy ao aminy ireo minisitera samihafa mila izany. Efa nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry fa ny departemantan’ny fanabeazam-pirenena, ny fahasalamam-bahoaka ary ny fitandroana ny filaminana aloha no afaka mandray mpiasa vaovao.
«Samy mahalala ny filany ary samy manana ny isa ilainy avokoa ireo minisitera ireo. Manara-maso fotsiny ihany ny anjaranay», araka ny fanampi-panazavana nentin’ny minisitra hatrany. Tamin’ny volana febroary 2021 teo no nanambaran’ny Fanjakana ny fisian’ny fampidirana mpiasampanjakana vaovao. Hahazo tombony amin’izany ireo mazoto hipetraka any ambanivohitra ka hiantohana trano fonenany sy ny fiara.
Hanome hevitra