Nankatoavin’ny HCC, omaly, ny fahabangantoerana roa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona. Isan’izany ny toeran’ny loholona Imbiky Herilaza, izay lasa minisitry ny Fitsarana sy ny toeran’ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, ny dokotera Raymond. Ity farany izay hosoloin-dRamamonjisoa Dahy Herman, lisitra tsy miankina faharoa nanaraka azy tamin’ny fifidianana depiote, araka ny nodidian’ ny HCC. Mbola miandry izay fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, kosa ny fanendrena ny loholona vaovao hisolo an’Imbiky Herilaza.
Hanome hevitra