Fanatanjahantena

Baolina kitra – « Mondial 2022 » Miankina amin’i Tanzanie ny ho avin-dRabesandratana Eric

Hamaritra ny mety ho tohin’ny fitantanan-dRabesandratana Eric, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, mandritra ny fotoana maharitra, ny vokatry ny fihaonan’i Barea sy Tanzania, anio. Voalaza fa vonjimaika ihany no hitazonany an’io toeran’ny mpanazatra nasionaly io ary ny lalao roa hifandonan’i Madagasikara amin’i Bénin sy Tanzania, amin’ ity fifanintsanan’ny “Mondial 2022” ity no hitsarana azy, araka voarakitra tao anatin’ny taratasim-pifanarahana navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’ny volana avrily lasa teo.

Vesaran’ny tsindry ity teknisiana malagasy-frantsay ity satria tsy maintsy manarina ny fahavoazana, 1 noho 0, tamin’ i Bénin, tetsy Mahamasina. Asa goavana miandry an’i Eric Rabe sy ny ekipa teknikan’ny Barea ny fandrafetana paikady mahomby handresena an-dry zareo Tanzaniana, eo amin’ny kianjan’i Benjamin Mkapa Stadium, anio. Milaza ny ho voabaikon’ny toe-tsaina sy hery tsy maintsy mandresy ny mpanazatra nasionaly ary nanao fanamby ny hahatafita ny Barea any amin’ny “Mondial”, taorian’ny fampivondronana voalohany nataony niaraka tamin’ireo mpilalao, tamin’ny volana jona lasa teo.

Fanovàna

Ho hita, androany, ny fahaiza-manaon-dRabesandratana Eric. Ho sarotsarotra ny fifantenan’ny ekipa teknikany an’ireo mpilalao iraika ambin’ ny folo hiakatra voalohany eny ambony kianja manoloana an’i Tanzania. Raha hiverenana ny fihaonana tamin’i Bénin, teo amin’ny andro voalohany, dia maro ny lesoka mila harenina. Manomboka amin’ny fandaharana an’izay ho mpiandry tsatokazo ny adisanin-dry Eric Rabe sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsikaritra ny fahabangan’ny mpandrindra lalao sady mpanolotra baolina ho an’ireo mpanafika miainga avy tao afovoan’ny kianja. Tsy nanambahaolana namonoana baolina ihany koa ny mpanafika.

“Vonona tanteraka ny ekipa ary hisy fanovàna ny fandrafetana ny mpilalao sy tetik’ady ho ampiasaina, indrindra taorian’ireo faharesena tamin’ny lalao voalohany ireny. Tsy maintsy hanodina ireo mpilalao rehetra izahay satria ady sarotra io lalao io. Efa nohalalininay tamin’ny alalan’ny fijerena rakitsary ny fomba filalaovan’ny ekipa tanzaniana ary nandrafetanay raikipohy hoentimanohitra azy ireo”, hoy Rabesandratana Eric, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tany amin’ny Federasion’ny baolina kitra Tanzaniana (FTF), omaly.

Handeha mivantana amin’ny fahitalavim-pirenena ny fihaonan’ny Barea sy Tanzania, anio, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro (ora eto Madagasikara).

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao