Raharaham-pirenena

Fandikan-dalàn’ny miaramila Mandetika an’ireo mihoa-pefy ny Lehiben’ny Etamazaoro

Nahitsy ny jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika (CEMA) manoloana ny tranga anenjehana miaramila roa, tany Antanimbary-Maevatanàna, nanomboka tamin’ny alahady lasa teo. “Nanome toromarika amin’ny hanaovana famotorana lalina tamin’iny fitifirana nahafatesana olona iny aho. Tsy miray tsikombakomba amin’ny mpamono olona izahay raha voaporofo ny zava-nisy”, hoy ity tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Tafika ity, omaly.

Adina mpivady tany amin’ ny toerana fihadiana volamena any Antanimbary io namoa-doza io, rehefa nidiran’ireo miaramila roa lahy an-tsehatra ary narahin’ ny fitifirana lehilahy iray. Maty teo no ho eo ilay lehilahy.

Naiditra am-ponja vonjimaika any Maevatanàna ilay miaramila nitifitra nahafaty lehilahy sy ny vadin’io namoy ny ainy io ary vehivavy iray hafa, omaly.