Fanatanjahantena

Baolina kitra – Afrikana Holalaovina tsy misy mpijery ireo fifaninanan’ny CAF

Raikitra àry fa hotanterahina tsy misy mpijery ireo fifaninanana hoentina mamarana ny taom-pilalaovana 2019/2020 ho an’ny baolina kitra afrikana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny amboaran’ny Kaonfederasiona (CAF). Hotontosaina amin’ny 22 septambra ho avy izao ny manasa-dalana ary amin’ny 27 septambra 2020 kosa ny famaranana ho an’ny amboara CAF. Hifanandrina any Casablanca Maraoka ny ekipan’ny Pyramids FC (Égypta) sy ny Horoya (Ginea), ary hatao any Rabat Maraoka ny fihaonan’ny RS Berkane sy ny HUSA, an-daniny.

Hisy lalao mandroso sy miverina kosa ny manasa-dalana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka. Hotanterahina amin’ny 25 sy ny 26 septambra 2020 ny fihaonana voalohany ary amin’ny 2 sy ny 3 oktobra 2020 kosa ny faharoa. Hifandona amin’io fihaonana io ny Raja Casablanca Maraoka sy ny Zamalek Egypta, andaniny, ary ny Wydad Casablanca Maraoka sy ny Al Ahly Egypta, an-kilany. Hatao amina firenen-kafa ny lalao, raha toa ka adin’ny Egyptianina sy Maraokana ny famaranana, izay hotontosaina ny 16 na 17 oktobra 2020. Any Egypta na any Maraoka kosa no hanaovana ny lalao raha fihaonan’ny samy mitovy firenena. Nandà ny fampiantranoana ny famaranana ho an’ny fiadiana ny amboara ho an’ny ekipa tompondaka i Kamerona, raha izy ireo no efa voadify handray ny lalao. Manao antso amin’ireo firenena vonona handray izany ny CAF manoloana io fandavana io.