Raharaham-pirenena

Raharaha depiote sy zanadary Nandamòka ny fikononkononana tetsy Tsimbazaza

Foana tamin’ny ora farany ny hetsika nokasain’ireo solombavambahoaka natao teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza, omaly. Taorian’ny fifandirana nitranga teo amin’ny zandary mpanao sakana sy ny vehivavy iray, solombavambahoaka, teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, afak’omaly, no nikasan’ireo andiana olomboafidy hanao hetsika manokana. Tsy raikitra hatramin’ny resaka saika nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety.

Fanehoana firaisan-kina tamin’ilay solombavambahoaka voasakan’ny zandary, teny Mahitsy no re fa saika niseho tetsy Tsimbazaza. Fahalanian’ny fetr’andron’ny taratasy fiantohan’ny fiaran’ ilay olom-boafidy no niteraka ny disadisa. Nifampiampangana ny fanaovana herisetra teo amin’ny zandary sy io depiote io. Fantatra fa nisy tamin’ireo olom-boafidy namany no naka azy teny Mahitsy, afak’omaly.

Nambaran’ny loharanom-baovao iray kosa ny fisokafan’ny fanadihadiana ataon’ny sampan’ny Zandarimariam-pirenena misahana ny heloka bevava, eny Fiadanana, momba ny zavanisy tany Mahitsy. « Mba hahafantarana ny marina no anton’ny nanokafana famotorana momba iny tranga iny. Misy fitoriana nataon’ilay zandary niharam-boina. Vesatra telo no hiampangana ny solombavambahoaka iray, dia fanararaotana fahafantarana olona izay nentina nanamparana fahefana amin’olona iray  ; herisetra sy vono ary ratra niniana natao », hoy ny loharanombaovao akaiky ny mpanao famotorana.