Tranga samihafa

Fandrobana amin’ny alina Sarona ireo mpanendaka mpividy fanafody

Voasambotry ny polisy, rehefa nifanenjehana, ny roa tamin’ny lehilahy maromaro hita nitampify teo amin’ny toerana maizimaizina, teny akaikin’ny tsenan’ny Soamanatombo Anosy, tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Fantatra fa mpanendaka izy ireo, ka ireo mpiandry marary voatery mitady fanafody amin’ny alina no tena kendren’izy ireo, ankoatra ny mpandalo eny amin’iny faritra iny. Mitondra zava-maranitra mihitsy ireo mpanendaka ireo, ka efa nisy ny olona voaratrany.

Vaovao nomen’ny olon-tsotra amin’ny fisiana mpanendaka mitondra antsy mihaodihaody eny Anosy sy ny manodidina no nahatonga ny polisy nankeny an-toerana. Nahitana antsy lava teny amin’ny lehilahy iray. Ity farany no voalaza fa efa indroa nigadra noho ny antony fanendahana hatrany.